[amam-] behivavy fa efa nandresy ny loza tamin’ny basy indraim-bava, hono ny mpanjaka. Dia afaka vetivety tokoa ny aizina. Faly izy rehetra amin'izany ka dia mihevitra fatratra ho ilay basy nitifiran’ny mpanjaka azy, kanjo fomban’ny Eclipse no tsy maharitra ela. 

d- Ny afolahy mitsanga

Ny kometa no ataony hoe : « afolahy manga » noho izy ohatra ny afo mitsangana eny amin'ny lanitra. Tena mahatahotra sy mampihoron-koditra ny Bara fatratra izy iny, ary maro koa ny hevitra atrangany amin'izany : Ny sasany milaza fa afo handoro ny mpamosavy rehetra iny; ny sasany koa milaza fa fambara ny hahafatesan’ny andriana sy haharava ny fanjakany izy io ; ny hafa koa manao hoe,: « Hisy loza maro samihafa ho tonga amin'ny tany hampahory ny olona. Toy ny areti-mifindra, nendra, havandra sy valala hanimba ny tany mba hahatonga [mosary ]