[mitandri] na tsara ny fadin-drazana, soloany ny fiainana mandrakizay ho lovany raha manao ny sitra-pon’i Jesosy Tompo izy. Ny fandrahonana hihatra amin'izay tsy manaraka ny fadin-drazana, raisiny literaly ho anjarany, raha manao izay tsy ankasitrahin’ny rainy izay any an-danitra izy.

Izany ny amin'ny fampianaram-pinoana ny ankizy sy ny vokany, fa tonga fitarihan-dàlana ho amin'ny filazantsara indray ireo ankehitriny na dia toy ny vato misakana aza. Ka aoriandriana any dia ho re ny feon’ireo zana-tany Bara ireo hoe : « Soa ihany fa noana aho hahahinanako be ».

Toko X : Ny finoany ny amin'ny fiainana any an-koatra

1- Ny misy izany fitoerana izany

Ny firenena mpivavaka rehetra (afa-tsy