Teny iditra asombola
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Anaran' ny volana fahenina (Arabo Es-soumboul (salohim-barin ny Virginy)).
Lazain' ny mpanandro fa ny Asombola dia vorombe-tsi-tana. Tsy fantatra mazava izay tena hevitr' izany; nefa izao no fanaon' ny ntaolo: raha handranto izy, na hikarama lavidavitra, dia tsy nivoaka raha tsy Asombola toy izany koa raha hampiditra na hamoaka omby mifahy. [1.10]
  [3.1]
 Anaran' ny volana fahenina amin' ny volana malagasy merina, aorian' ny Alahasaty ary alohan' ny Adimizana, ka ny toerana nomena azy fahiny ao an-trano dia amin' ny lafin-drindrina atsimo ilany andrefana
Fanandroana: Vavany: raha lehilahy, mpivarotra, mahazo vola; raha vehivavy, mpanao taozavatra, mpila harena; vodiny: tsara, hanan-karena, mpila vola [1.1]
Fanazavàna teny anglisy The name of the sixth month of the Malagasy year. [Ar. As-sumbulu - Spica Virginis, or in Virgo.] [1.2]
Fanazavàna teny frantsay Nom du sixième mois de l'année malgache
Nom d'un destin [1.3]
Ohatra ary nony ampitso Alahady 14 Septembra 26 Asombola dia niangona tao. [2.59]
Voambolana 
Kamban-teny 
Ny fihaviany Arabo: as-sumbulu.
Tsanganana sy sary iray takila Fizaran' andro

Teny iditra asombola
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Ny tera-tsikidy valo amin' ny reniny efatra, ka ny roa dia eo amin' ny tsanganany, ary ny roa ao amin' ny tsivalany; takalo tenany io, ka raha tsy amonoina omby eo atsinanan-trano tsy sitrana ny marary; fa raha vola kosa, tsy azo raha tsy atao ao anaty moara (na mohara) ny Asombola 12, izany hoe asiana taniravo kely avy ny niteorany, dia iny taniravo iny no raofina ka atao ao anaty moara. [1.10]
Mpanahaka  sikidy
unk:: 

Nohavaozina tamin' ny 2023/10/02