Teny iditra aboraka (boraka)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Aseho, lazaina hatramin' ny antsipiriany: Naborany tamiko ny tao ampony [1.1]
Fanazavàna teny frantsay Qu'on délie, qu'on défait, qu'on déballe, qu'on manifeste [1.3]
Ohatra 
1Naborany tao ny fitiavany sy ny faniriany azy ho kintan' ny tokantranony. [2.499]
2Ka dia aborako aminao izay zavatra rehetra karohiko, sady ny aina koa tsy mifametra, ka sao dia maty mangina irery atý aho, ka ho very tadidy izay rehetra namonoako tena! [2.499]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : aboraka, aborako, aborakao, aborany, aboratsika, aborakay, aborakareo, aborak', abora-
Ny lasa : naboraka, naborako, naborakao, naborany, naboratsika, naborakay, naborakareo, naborak', nabora-
Ny hoavy : haboraka, haborako, haborakao, haborany, haboratsika, haborakay, haborakareo, haborak', habora-
Filaza mandidy : aborahy, aboraho
Tovy hevitra borahina

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/19