Teny iditra abosy
Sokajin-teny   anarana
Famaritana malagasy   fandrisihana na fandroboana olona hanao zavatra tian' ny tena hataony
Mitovy hevitra: doka ~ fandriamalemy lafika ~ kobaka am-bava ~ lango malemy ~ lokanga hisatra ~ pasopasoka ~ risika ~ robo ~ roboka ~ ronono an-tavy ~ safosafo ~ safosiaka ~ safovody ~ tambitamby ~ taona ~ teny malefaka ~ tsetsaka ~ volana hatenda ~ volana mahadradraka
¶ famokisana hanao zavatra na tsara na ratsy, fa indrindra ny zavatra ratsy
Mitovy hevitra: bontsina ~ fo omena ~ toho-tsofina
¶ fitaka atao olona an-kafetsena
Mitovy hevitra: angoly ~ antohim-bato ~ fahan-dalitra ~ fangopangoka ~ saroro ~ sarory ~ sodika ~ solia ~ sombe ~ sombia ~ vato mafana atolotra ~ vohony [Rajemisa 1985]
Sampanteny  
Ny bikany  
abosy
abosiko
abosinao
abosiny
abosintsika
abosinay
abosinareo
abosin'
abosin-
abosim-
Tsipelina hafa  

Nohavaozina tamin' ny 2012/07/11