Teny iditra adijady
Sokajin-teny   anarana
Famaritana malagasy   laharana fahafolo amin' ny volana malagasy. Ny anarany dia nalaina avy amin' ny anaran' ny antokon-kintana izay ataon' ny Arabo hoe El-djadi (Chevreau).
Ny Adijady dia reni-vintana mitrotro ny Adalo sy mibaby ny Alakaosy. Eo anjorom-baravarankely (avaratra-andrefana) no filaharany.
Ny zaza teraka amin' ny vava-Adijady, hono, dia jadijadina, izany hoe, sady vitsy teny no jinijinina; nefa kosa izay teraka amin' ny vontony sy ny vodiny dia heverina ho tsara vintana ihany.
Ny Adijady dia andro mafy, tena mijadona tokoa; ka ny zavatra tian-ko mafy sy mateza indrindra no isantarana amin' izany. Io no tonon' andro tsara ho fampidiram-pananana, na andevo hovidiana, na biby hopiana, na vary hatao an-davaka, na vola hotehirizina an-kitapo. Io koa no tonom-bintana fangalana vohitra sy fanorenan-trano. Ny Adijady koa no heverina ho andro tsara hampakaram-bady, fa savihin' ny andro mafy ka tsy ho afaka hisara-belona: "Lamban' akoho" ny fanambadiana atao Adijady, "ka faty no isarahana."
Ny Asorotany no tonom-bintana mifandratra amin' ny Adijady, fa samy henjana ireo, ka tsy mahay miaraka; koa dia ny mitanila eo amin' ny Alahatsy sy ny Adizaoza no iarenany sy iandrianany.
Ny ranon' erika dia atao ho Adijady, fa mahamerika andro ny Adijady, ka be vaky siny ny mpantsaka, misy mirodona ny tokotany. Miantomboka mitomany ny tompon' ireo, ary mitohy amin' ny Adalo be ranomaso izany. [Ravelojaona: Firaketana]
   Anaran' ny volana fahafolo amin' ny fila [...]
¶ Fanandroana: vavany: alam-bintana fandra [...] [tohiny Rajemisa 1985]
Dikanteny anglisy   The name of the tenth month in the Malagasy year. [Ar. Al-dschadiu - Capricorns.] [Richardson 1885]
Dikanteny frantsay   Nom de la dixième lune et du dixième mois de l'année malgache [Abinal 1888]
Ohatra   fa nony Asabotsy 28 Janoary, 11 Adijady dia namely mafy ny rivotra; [Cohen-Bessy: Rakotovao, takila 226]
Voambolana  
Tsanganana sy sary iray takila   Fizarana andro
Teny nalaina  

Teny iditra adijady
Sokajin-teny   anarana
Famaritana malagasy   zana-pehintany 23°27'30" atsimon'ny fehibe [SLP: Voambolana]
Dikanteny frantsay   tropique du Capricorne [SLP: Voambolana]
Voambolana  
Fifanahafana   asorotany ~ zana-pehintany
Sary  

Teny iditra adijady
Sokajin-teny   anarana
Famaritana malagasy   latsa, fanalikalikana, ompa [Antemoro] [Rakotosaona 1972]

Nohavaozina tamin' ny 2016/03/29