Teny iditra adika (dika)
Sokajin-teny   matoantenin'ny atao
Famaritana malagasy   Alaina tahaka: Adikao ireo soratra hitanareo amin' ny solaitrabe ireo
¶ Avadika amin' ny fiteny hafa: Nadikan-dRabe tamin' ilay vazaha ny tenin' i dada
¶ Ampandalovina eo ambony: Aza fady fa adikako anao ity lovia ity
¶ Lazaina, taterina: Ka angaha tsy loza fa nadikany tamin' ny mpampiasa ilay teninao teto omaly iny
¶ Heverina: Nadikany ho tsy fitiavana azy ny fanakianana ny nataony [Rajemisa 1985]
Famaritana anglisy   used of that which is used to overstep something else, or translated from one language into another [Richardson 1885]
   to be copied; to be translated [Hallanger 1973]
Famaritana frantsay   qu'on copie ; qu'on traduit [Abinal 1888, Hallanger 1974]
   qu'on fait passer par dessus [Abinal 1888]
   qu'on interprète, qu'on transcrit [Abinal 1888]
Ohatra  
1Telo na efatra ny teny hebreo nadika toy izany [Randzavola: Baiboly, takila 32]
2Azo adika ho finiavan' ny mpitondra hametraka fitondrana tsy refesi-mandidy ve izany? [ ]
Ny bikany  
adika
adikako
adikanao
adikany
adikantsika
adikanay
adikanareo
nadika
nadikako
nadikanao
nadikany
nadikantsika
nadikanay
nadikanareo
hadika
hadikako
hadikanao
hadikany
hadikantsika
hadikanay
hadikanareo
adikao
Kamban-teny, lohateny, anarana  

Teny iditra adika
Sokajin-teny   matoantenin'ny atao
Famaritana malagasy   [Taifasy] manetsa [Rakotosaona 1972]

Teny iditra adika
Sokajin-teny   matoantenin'ny atao
Famaritana malagasy   [Betsileo] manadino [Rakotosaona 1972]

Nohavaozina tamin' ny 2017/07/24