Teny iditra adray
Sokajin-teny   tenim-piontanana [firaketana]
Famaritana malagasy   Dray na Drey na Endrey na Adrey na Dray: tenim-piontanana voatonona amim-pahatairana raha misy mahagaga tsy nampoizina, na mahafaly tampotampoka, na misy maharary tsy aritra. (Ny tena ahalalana azy ho fanehoam-pahagagana, na hafaliana, na fangirifiriana anefa dia miankina amin' ny feo sy ny anononan' ilay olona miteny azy mbamin' ny fahitana ny endriny sy ny fihetsiny eo am-pitenenana). -- Indraidray ny dray dia atao solony tambinteny hoe: izaitsiizy na tokoa tokoa, ets.; ary ny fanao amin' izany dia ny Edrey, toy izao: Lafo dia dray izany peratrao izany! ~ Lafo dia edrey izany peratrao izany ! [Ravelojaona: Firaketana]
Dikanteny anglisy   an expression of fear. [Richardson 1885]
   oh my!, alas! [same as adrey] [Hallanger 1973]
Dikanteny frantsay   pour marquer la douleur, la peur : aie ! là là là là ! [Abinal 1888]
   tiens ! douleur, crainte : aïe ! [comme adrey] [Hallanger 1974]
Ohatra  
1Adray toa zazavavy fantany! [Rajaonarivelo: Bina, takila 47]
2Adray, hoy reniny niteny mafy. [Rakotonandrasana: Tantsaha, takila 91]
3Adray ny fahatairany, nony nahita fa Rasolo irery no nitranga. [Rajohanesa: Kintana]
Tsipelina hafa  

Nohavaozina tamin' ny 2016/11/02