Teny iditra ady varotra (ady, varotra)
Sokajin-teny   fomba fiteny
Famaritana malagasy   fifamaliana ataon' ny mpivarotra sy ny mpividy momba ny vidin' entana ka ny mpividy mangataka mba hahenan' ny mpivarotra io vidiny io, ny mpivarotra kosa tsy mety mampihena avy hatrany; fifamalian' ny mpividy sy ny mpivarotra momba ny vidin-javatra; teny ifampiraharahana: "Izaho, hoy Andrianampoinimerina, tsy manana ady varotra aminareo"; [Rajemisa 1985]
Dikanteny anglisy   Disputation as to price, bargaining, stipulating the price. [Richardson 1885]
Dikanteny frantsay   marchandage [Abinal 1888, Rajaonarimanana 1995]
   débat du prix [Abinal 1888]
Ohatra  
1Fa izaho tsy manana ady varotra aminy, fa soa ifamaliana ny anay sy ny azy. [Rahajarizafy: Kabary, takila 54]
2Ady varotra lava be, fotoana ifanomeana miverimberina ary amin' ny toerana samy hafa, vao azo ny tapa-damba anankiray. [Andraina: Mitaraina, takila 116]
3tsy mahay ady varotra akory hianao (tu ne sais pas marchander) [Abinal 1888, takila 4]
Tsipelina hafa  

Nohavaozina tamin' ny 2015/04/14