Teny iditra aingaina (ainga)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Entanina: Irerỳ voalohany aingain' ny fony kokoa, iretsy faharoa tarihin' ny sainy kokoa (Antoine Rahajarizafy)
Bataina: Aingao io vato io raha matanjaka ianao [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To be lifted up, to be raised up. [1.2]
Fanazavàna teny frantsay Qu’on soulève, qu’on lève, qu’on va chercher: Tsy azoko aingaina io entana io (Je ne puis soulever ce paquet) [1.3]
Ohatra 
1Raha hitsahatra amin' ny fihinanam-bary dia aingaina any ambony loha ny lovia vao mijanona; [1.437]
2An-kevitry ny tsy diso ny fanombatombanan-dRaboto, satria tsy zakan' ny sandriko anila aingaina ilay tavoahangy! [2.471]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : aingaina, aingaiko, aingainao, aingainy, aingaintsika, aingainay, aingainareo, aingain', aingain-, aingaim-, aingai-
Ny lasa : naingaina, naingaiko, naingainao, naingainy, naingaintsika, naingainay, naingainareo, naingain', naingain-, naingaim-, naingai-
Ny hoavy : haingaina, haingaiko, haingainao, haingainy, haingaintsika, haingainay, haingainareo, haingain', haingain-, haingaim-, haingai-
Filaza mandidy : aingao
Lohateny Aingaim-panahy vaovao (Rajohns Barthélémy)

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/04/08