Teny iditra aiza
Sokajin-teny tambinteny [firaketana]
Famaritana malagasy mpamaritra matoanteny: enti-manontany toerana: Aiza ianareo no mipetraka? ~ Aiza ny rainao?
¶ Enti-miangavy, mitovy hevitra amin' ny hoe nday: Aiza io boky io, ry Naivo a!
¶ Enti-mampitaha, ka ilazana fa misy elanelany lavitra: Tsy mianatra mihitsy ise, ry Isambilo; aiza ho aizan' ny fahaizan' Ikoto ato avaratra ny fahaizan' ise! [Rajemisa 1985]
 ahia? (Tankarana)
¶ aia? (Antefasy, Antesaka, Bara, Betsileo, Tandroy, Tankarana)
¶ ay? (Bara)
¶ aie? (Mahafaly)
¶ akaa? (Betsimisaraka)
¶ haia? (Tankarana) [Rakotosaona 1972]
Famaritana anglisy where? Whither? In what place? How? When followed by No it means, by what means? See aia. [Richardson 1885]
 where? [Hallanger 1973]
Famaritana frantsay où? [Hallanger 1974]
Ohatra 
1Ho aiza ianareo roa lahy? [Andraina: Mitaraina, takila 199]
2Aiza no ahalalanao izany? [Rajaonarivelo: Bina, takila 80]
3Mba lasa koa aho fa hanava-tena aiza moa! [Andraina: I Vola, takila 129]
Sampanteny 
Endriteny 
aiza
aizan'
taiza
taizan'
Kamban-teny, lohateny, anarana 

2016/02/15