Teny iditra akaiky
Sokajin-teny tambinteny [firaketana]
Famaritana malagasy Tsy lavitra: Aza matahotra ianao fa akaiky ihany ny tranonay
¶ Antomotra na akaiky ara-potoana: Efa akaiky itỳ ny fanadinana, rankizy, ka mikezaha mafimafy kokoa indray
¶ Anila, ankila: Mipetraha eto akaikiko ianao
¶ Mifanila, mifanolotra, mifanolobodirindrina: Akaikin' ny tranonay ny fonenany
¶ Tsy lavitra ara-pihavanana: Akaiky anay kokoa Rakoto noho ianao, satria zanak' olo-mpirahalahy izahay, fa isika kosa mbola zafin' ny mpianadahy [Rajemisa 1985]
Famaritana anglisy near, near together, near by, close at hand. [Richardson 1885]
 near [Hallanger 1973]
Famaritana frantsay près [Hallanger 1974]
Ohatra 
1Misy lahindrano mandalo eo akaiky. [Andraina: Mitaraina, takila 199]
2Avia aloha, Rainy, eto akaikiko eto e! [Rakotonandrasana: Tantsaha, takila 25]
3Eo akaikin' i Hesbona no misy izany toerana izany. [Randzavola: Baiboly, takila 877]
Sampanteny 
Endriteny 
akaiky
akaikiko
akaikinao
akaikiny
akaikintsika
akaikinay
akaikinareo
akaikin'
akaikin-
akaikim-
Tsipelina hafa 
Teny mifanohi-kevitra 
Kamban-teny, lohateny, anarana 

2014/06/13