Teny iditra akarina (akatra)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Atao amin' ny toerana ambony na avoavo kokoa: Akaro any ambony rihana itỳ fitoeram-boky itỳ
Asondrotra, asandratra: Nakarina ho jeneraly ilay kolonely tanora
Ampidirina aradalana ao an-trano ho vady: Nakarin-dRakoto ho vady Rasoa [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To be brought up, to be fetched up; to be taken up, as words, letters, or persons from inferiors to superiors. [1.2]
 To be lifted up [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Qu'on soulève, qu'on met plus haut, qu'on met plus haut [1.8]
Ohatra 
1Rehefa izany dia akarina ny saina. [2.508]
2Tsy maintsy akarina ireo fa mampahory ny madinika. [2.643]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : akarina, akariko, akarinao, akariny, akarintsika, akarinay, akarinareo, akarin', akarin-, akarim-, akari-
Ny lasa : nakarina, nakariko, nakarinao, nakariny, nakarintsika, nakarinay, nakarinareo, nakarin', nakarin-, nakarim-, nakari-
Ny hoavy : hakarina, hakariko, hakarinao, hakariny, hakarintsika, hakarinay, hakarinareo, hakarin', hakarin-, hakarim-, hakari-
Filaza mandidy : akaro
Ohabolana 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/19