Teny iditra alafatra (lafatra)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Asaina mifanohitra, ampifanoherina: Nalafatry ny mpampianatra ny mpianany roa voalohany mba hitsapany izay mahay kokoa [1.1]
Fanazavàna teny frantsay à mettre en opposition [1.3]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : alafatra, alafatro, alafatrao, alafany, alafatsika, alafatray, alafatrareo, alafatr', alafa-, alafatry
Ny lasa : nalafatra, nalafatro, nalafatrao, nalafany, nalafatsika, nalafatray, nalafatrareo, nalafatr', nalafa-, nalafatry
Ny hoavy : halafatra, halafatro, halafatrao, halafany, halafatsika, halafatray, halafatrareo, halafatr', halafa-, halafatry
Filaza mandidy : alafaro

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/19