Teny iditra Alatsara (ala, tsara)
Sokajin-teny   anaran-tsamirery (haitany) [firaketana]
Ohatra   Tamin'ny voalohany dia lasan'Andrianonibe I i Alatsara. [Randriamamonjy: Tantara, takila 323]
Nanafika tany Midongy andrefana sy tany Alatsara avaratr'Ambohimahasoa izy. [Randriamamonjy: Tantara, takila 318]
Nanafika nianatsimo koa izy ka nahazo an'i Vohitsafy, izay novany anarana hoe Alatsara. [Randriamamonjy: Tantara, takila 320]
Kanjo taty aoriana dia resin' Andriambelonandro indray izy ka lasan'i Vohibato ihany Alatsara, mbamin'i Avomalaza, Ambohitravo andrefana, Angavo, Fihaika ary Alasora ary efa niomana haka an'Anosa koa indray. [Randriamamonjy: Tantara, takila 323]

Nohavaozina tamin' ny 2015/08/16