Teny iditra alatsinainy
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy (Arabo El-ithinin na El-itzinani: faharoa). (T) sasany: Alatsineiny, Tsinainy; (Sakalava): Alatinainy, na Tinainy.

-- Andro fahadimy tamin'ny ntaolo. Andro mafy, andro mainty -- ankevitry ny misy fillaovan-teny, ara-bakiteny koa: "miala tsinainy; manala tsinay". Fadin'ny ntaolo ny mandefa tafika Alatsinainy, fa andro mahamafy ny ady sy ny fandravana, fanalàm-bohitra, hoy izy; torak'izany: tsy misanta-draharaha, na manombnoka asa -- misy aza, mandrak'ankehitriny, mpiasa dia mahavatra tsy miseho mihitsy nony Alatsinainy.

Ny zavatra hamafina, amboarina, kosa, amin'ny trano, na ny tokantrano, ny raharaham-piainana, toy ny fihavanana simba, dia fanaon'ny sasany amin'ny Alatsinainy.

Nataon'ny ntaolo andro fandevenana ny Alatsinainy -- naman'ny Alarobia sy Zoma -- noho izy andro mafy, andro mainty, ka sady mitana mafy ny velona, no mainty mifanentana amin'ny fahafatesana.

Raha ohatra ka Alatsinainy no tsinana ny Adaoro, dia tsy fanao ny mamono zavatra afa-tsy mavo amin'io andro io.

Ny zaza teraka Alatsinainy dia Ramiera, na Andriamiera, no ataon'ny ntaolo sasany anarany; ary tsy mihety na manala hoho Alatsinainy. [1.10]

 Andro faharoa amin'ny herinandro. Araka ny fanandroan'ny Ntaolo, ny alatsinainy dia andro mafy, andro mainty ka tsy nisantarana na inona na inona; ny mandevina sy ny manamboatra ary manamafy zavatra no fanao alatsinainy. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy Monday. [Ar. al-itzna'ni - Second.] [1.2]
 Monday. [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Le lundi. [1.3, 1.8]
 Lundi. [1.5]
  [Tanala] Lundi [ar.: itnani, deux, al-itnain, lundi] [1.6]
Fanazavàna teny italianina Lunedi [1.18]
Fanazavàna teny alemà Montag. Es gab bei Arbeitsunfällen am Montag in Frankfurt zwei Schwerverltzte. Amin'ny alatsinainy, faha...: am Montag dem/den... [1.56]
Ohatra 
1Harivarivan' ny alatsinainy, fiandohan' ny herinandro tamin' izay. [2.470]
2Ny alatsinainy taorianan' iny, tezitra nisafoaka Ramose. [2.472]
Voambolana 
Kamban-teny 
Anaran-toerana 
Tsanganana sy sary iray takila Fizaran' andro

Teny iditra Alatsinainy
Sokajin-teny anaran-tsamirery (haitoetany) [fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy Anaran'ny tanàna anaovana tsena amin'io andro io. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy The place of holding Monday's market. [1.2]
Fanazavàna teny frantsay Noms des marchés tenus le lundi et de leur emplacement. [1.3]
 Marché du lundi. [1.5]
Voambolana 
Fangi-bolantany -19.3833333, 47.4333333

Nohavaozina tamin' ny 2020/11/22