Teny iditra alobotra
Singan-teny alo ; botra
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Aretina noheverin' ny razana fa mahavoa ny zaza. Vaventy nefa mihodrahodra ny zaza lazainy fa misy alobotra, mavesatra koa ny zaza izay vaventy noho ny fahasalamany dia mavibika, fa tsy mba mahavesatra toy izany. Dia ambarany koa fa mpivalambalana ny zaza misy azy, ka ny fivalanana mandeha amin' izany dia mitsiloliloly, izay lazainy fa aretina mivoaka. [1.10]
 Aretin-jaza mahatonga azy hihodrohodro, ho botabota toa matavy rano [1.1]
Fanazavàna teny anglisy [botra, plump.] A disease of children which makes them look plump. [1.2]
Ohatra 
1fa nony nakekena, ny anankiray rombina, ary ny anankiray alobotra. [2.69]
2Mifanohitra amin' io alofisaka io kosa ny alobotra izay mahatonga ny zaza ho diso fitombo loatra ka manjary mohaka be. [2.643]
Voambolana 
Mpanahaka  alofisaka
Ohabolana 

Nohavaozina tamin' ny 2023/02/18