Teny iditra aloha
Sokajin-teny mpampiankin-teny [fitanisana]
Mpitovy hevitra ara-paritany aloha, anatrehana, añatseha, androña, anketrehana, añoloa, anoloana, heky, izao tsereke, kendry, ndreky, seky, tseky
Fanazavàna teny malagasy Mpamaritra matoanteny na teny mpampiankina enti-milaza fahatongavana na fanaovan-javatra voalohany miohatra amin' ny iray hafa atỳ aoriana, na fitoerana manatrika iray hafa izay ao andamosina na ao aoriana (Raha ilazana ny lasa izy, dia mitovona t: taloha, izay mety hanana hevitra hafa koa
¶ Homeko valisoa izay mahavaly aloha
¶ (toerana): Mipetraha eo alohan' ny rainao eo
¶ (fotoana): Mivavaka izahay alohan' ny sakafo. / Nivavaka izahay talohan' ny sakafo [Rajemisa 1985]
Fanazavàna teny anglisy before [Richardson 1885, Hallanger 1973]
 first [Abinal 1888, Hallanger 1973]
 previous, previously, ahead. [Mal. alaan(?). the front part of a vessel.] [Richardson 1885]
Fanazavàna teny frantsay avant [Hallanger 1974, SLP 1986]
 au devant; auparavant [Hallanger 1974]
 antérieur, devant [SLP 1986]
Voambolana 
Sampanteny 
Haiendriteny 
aloha
alohako
alohanao
alohany
alohantsika
alohanay
alohanareo
alohan'
alohan-
aloham-
taloha
talohako
talohanao
talohany
talohantsika
talohanay
talohanareo
talohan'
talohan-
taloham-
Teny mifanohi-kevitra 

Nohavaozina tamin' ny 2021/07/05