Teny iditra amely (vely)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Enti-milaza ny zavatra ampiasaina ho enti-mamely, saingy amin' ny hevitra an' ohatra ihany; itezerana, andevilevena: Mafy izay teny nameliny ahy izay [1.1]
Ohatra Nisy olona niroso amely tsy nanana afa tsy langilangy, hita ny andia-mpiady izay lefona no netiny nisetra akanin-tafondro marovava, nisy ny antsibe sy kalazano mba hany fiadina tao amin'ny toby [2.472]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : amely, ameliko, amelinao, ameliny, amelintsika, amelinay, amelinareo, amelin', amelin-, amelim-
Ny lasa : namely, nameliko, namelinao, nameliny, namelintsika, namelinay, namelinareo, namelin', namelin-, namelim-
Ny hoavy : hamely, hameliko, hamelinao, hameliny, hamelintsika, hamelinay, hamelinareo, hamelin', hamelin-, hamelim-
Ohabolana 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/05