Teny iditra ampahadiminy > ampahadimy (dimy)
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy [ ampahadimy ] Ampahany amin' ny zavatra nozaraina dimy: Omeo azy ny telo ampahadimin' io mofomamy io [1.1]
Fanazavàna teny anglisy [ ampahadiminy ] The fifth part, one fifth [1.2]
Fanazavàna teny frantsay [ ampahadiminy ] Un cinquième [1.3]
Ohatra 
1Ary rehefa misy vokatra, dia haterinareo ho an' i Farao ny ampahadiminy; [2.996]
2nisy anaram-bola toa vao no-foronina, dia ny iraimbilanja, ampahadimin' ny ariary [2.436]
3Koa dia tonga tao Andranovelona Ramboasalama, nihaona tamin'ny Zafinandriamamilaza, nandray an'i Marovatana ampahadiminy, sy ny tanin'ny Zafinandriamamilaza. [2.508]
Voambolana 
Haiendriteny 
Tsotra : ampahadimy, ampahadiminy, ampahadimin', ampahadimin-
Kamban-teny 
Mpanahaka  fahadimy
  ampahatelo ~ ampahefatra ~ ampahenina ~ ampahafito ~ ampahavalo ~ ampahasivy ~ ampahafolo ~ ampahazato