Teny iditra andramana (andrana)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy  [Betsimisaraka] Enti-milaza ny zavatra hangalana kely mba hafantarana ny tsirony [1.78]
 Tsapaina kely mialoha: Vao nandramana ilay angady dia tapaka
Fantarina kely ao am-bava ny tsirony: Andramo kely ny siran-daoka, ry Fara a! [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To be tasted, to be commenced, to be tried. [1.2]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : andramana, andramako, andramanao, andramany, andramantsika, andramanay, andramanareo, andraman', andraman-, andramam-, andrama-
Ny lasa : nandramana, nandramako, nandramanao, nandramany, nandramantsika, nandramanay, nandramanareo, nandraman', nandraman-, nandramam-, nandrama-
Ny hoavy : handramana, handramako, handramanao, handramany, handramantsika, handramanay, handramanareo, handraman', handraman-, handramam-, handrama-
Filaza mandidy : andramo
Kamban-teny 
Ohabolana 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20