Teny iditra andre
Sokajin-teny tenim-piontanana [fitanisana]
Famaritana malagasy Tenim-piontanana milaza:
¶ -- Fahatairana: Andre! inona ity ataonao, anaka?
¶ -- Figagana: Andre! mahavariana ny mandinika ny habakabaka!
¶ -- Nenina, alahelo: Andre! vorona, hono, izany izaho ka afa-nanidina nankany aminay! [Rajemisa 1985]
Famaritana anglisy an expression of astonishment. See adre, odre. [Richardson 1885]

Teny iditra andre
Sokajin-teny tambinteny [fitanisana]
Famaritana malagasy  [Bara] moa? Va? Angaha? [Rakotosaona 1972]
Teny mitovy hevitra andra

Teny iditra andre
Sokajin-teny anarana
Famaritana malagasy  [Betsimisaraka] manavy, fanihy, vorona kely sahala amin'ny fanihy nefa kelikely kokoa [Rakotosaona 1972]
Voambolana 
Tsipelina hafa 

Teny iditra Andre
Sokajin-teny anaran-tsamirery (ara-baiboly) [fitanisana]
 Andre, Andrea: [Baiboly]
Famaritana anglisy Andrew [Baiboly]
Famaritana frantsay André [Baiboly]
Voambolana 
Tsipelina hafa 
Ohatra Dia lasa Filipo nilaza tamin'i Andre ka dia i Andre sy Filipo no niara-nilaza tamin'i Jeso [Baiboly: 50:012:022/Joany 12:22..]
Teny nalaina 

2015/09/07