Teny iditra anglikanina
Sokajin-teny   anarana
Famaritana malagasy   Antokom-pivavahana kristianina naorin' ny mpanjakan' i Englanda Henri VIII rehefa avy niendaka tamin' ny Eglizy katolika izy; noho izany, dia misy if anahafany amin' ny fivavahana katolika ny fivavahana anglikanina; nefa misy maha-samy hafa azy betsaka koa, toy ny isan' ny sakramenta, izay lazainy fa roa monja: ny batisa sy ny fanasan' ny Tompo; ny fahazoan' ny eveka sy presbitara manambady; ny tsy finoany ny fiovan' ny mahamofo sy ny maha-divay amim-pahagagana ho nofo sy ran' i Kristy [Rajemisa 1985]
Ohatra   mametra-pialana amin’ny andraikitra sahaniny eo anivon’ny fiangonana ho an’ny fiangonana anglikanina, loteranina sy katolika, ary mangataka lalana amin’ny mpitarika ho an’ny FJKM. [SeFaFi ]
Voambolana  
Ny fihaviany   Frantsay: anglican.

Nohavaozina tamin' ny 2014/08/06