Teny iditra ankamantatra (fantatra)
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Filazan-javatra izay tiana hovinanin' ny hafa ka ny toetoetran' ilay zavatra hofantarina no lazaina amin' ny teny somary lavalava: Inona àry izany: Manam-bava hihinana, fa tsy manan-kibo hasiana? (Hety na antsy) [1.1]
 Ny ankamantatra dia avy amin'ny fototeny hoe fantatra. Misy zavatra tian-kofantarin'ny mpihaino ary ilana valin-teny eo no ho eo fa tsy miandry ela. Misy olona iray mpitarika mametra-panontaniana izay miandoha hatrany amin'ny hoe: "Inona àry izany?". Miantefa amin'ny mpivory rehetra mandray anjara amin'ity kilalao ity ny fanontaniana ary izay mahita na mahalala dia mananga-tanana ka manome ny valiny avy hatrany. ... [5.mg.http://www.haisoratra.org/article.php3?id_article=302]
Fanazavàna teny frantsay énigme, charade [1.3]
 Devinette, énigme [1.5]
Voambolana 
Mpanahaka  ampanonona ~ ankifidy
Habaka Haisosatra.org: Ankamantatra (http://www.haisoratra.org/article.php3?id_article=302)

Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31