Teny iditra ankaso
Sokajin-teny anarana
Famaritana malagasy Fanaovana izay hahavoa ny sasany na izay hahasimba ny ataony na ny fananany: Aoka tsy hifanao ankaso
Mitovy hevitra: filambanony ~ hasomparana ~ hetraketraka ~ sotasota
¶ Avy amin' itỳ farany itỳ indrindra no niavian' ny hoe ankaso: an-kasomparana, an-kaso, ankaso
¶ Fahavoazana mihatra amin' ny tena noho ny afitsoky ny fiainana: Loza ny ankason' ny tany [Rajemisa 1985]
Fandikana anglisy taking by force; malicious damage [Hallanger 1973]
Fandikana frantsay du mal fait à quelqu'un [Hallanger 1974]
Teny mitovy hevitra ankasomparana ~ filambanony ~ hasomparana ~ hetraketraka ~ sotasota
Ohatra Ary tsy mpamono olona nasesiky ny tsy nahy, fa mpamono olona noho ny ankaso fotsiny izao. [Andriamalala: Ranomasina, takila 65]

Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31