Teny iditra ankifidy (fidy)
Sokajin-teny   anarana
Famaritana malagasy   Kilalaon' ny Ntaolo ara-tsaina nitsapana ny fahaiza-maminany sy mitsara zavatra amin' ny alalan' ny fampifidianana amin-javatra anankiroa izay lazaina somary an-kifonofono ka raha tsy mahay dia mahazo ny ratsy: Alao izay ho anao: be maso anaty vero sa kely maso anaty vato? (omby sa kary ?) [Rajemisa 1985]
   Ny ankifidy kosa indray dia miendrika ankamantatra ihany saingy misy safidy asaina ataon'ny mpamaly ny fanontaniana. Tsy mba miandoha amin'ny fanontaniana hoe : "Inona àry izany ?" ity kilalaon-tsaina ity fa avy hatrany dia manontany ny safidin'ny mpihaino. Avy amin'ny fototeny hoe fidy nahazoana ny hoe safidy manko ny teny hoe ankifidy. Avy amin'ny fahaizan'ny ankizy sy ny tanora mamaly ireny matetika no ahitany taratra sahady ny mety ho toetoetrany sy fomba fisainany. Ao amin'ny ankifidy, araka izany, dia sady mamantatra ny hevitra mifono ao anatin'ilay fanontaniana no misafidy ihany koa izay tiana ho an'ny tena amin'ireo. Koa amin'ny maha ankifidy azy dia miandoha amin'ny hoe : "alao izay ho anao" izy. ... [http://www.haisoratra.org/article.php3?id_article=302]
Dikanteny frantsay   [ an-kifidy ] littéralement au choix; sorte d'énigme, ou devinette avec choix entre deux objets [Abinal 1888]
Voambolana  
Fifanahafana   ampanonona ~ ankamantatra
Habaka   Haisosatra.org: Ankifidy (http://www.haisoratra.org/article.php3?id_article=302)

Teny iditra ankifidy
Sokajin-teny   mpamaritra
Famaritana malagasy   atao raha tiana [SLP: Voambolana]
Dikanteny frantsay   facultatif [SLP: Voambolana]

Nohavaozina tamin' ny 2014/10/01