Teny iditra Antandroy
Sokajin-teny   anaran-tsamirery (olona) [firaketana]
Famaritana malagasy   Foko lehibebe amin' ny tendron' i Madagasikara atsimo indrindra mitoetra amin' ny tany voafaritry ny ony Menarandra, andrefana; Mandrare, atsinanana, ary ny havoana Vohimainty, avaratra.
¶ Ny anarany dia avy amin' ny hoe "androy", karazan-draketa be ranony, izay hany zavamaniry azo hanina amin' io tany ngazana sy maina mandavan-taona io. Tanàn-dehibebe: Ambovombe, Beloha [Rajemisa 1985]
Dikanteny frantsay   population de l'extrême sud de Mad [...] Menarandra et Mandrare (ville principale: Ambovombe) [tohiny Rajaonarimanana 1995]
Ohatra   Izy no lazaina fa mahery indrindra tamin' ny Antandroy. [Randriamamonjy: Tantara, takila 75]
Voambolana  
Fitovian-keviteny   Tandroy
Fifanahafana   Tenim-pirenenana
Bibliôgrafia   Rajaonarimanana: Dictionnaire malgache dialectal - français (dialecte Tandroy)
Mahafay: Boke Arofototse

Nohavaozina tamin' ny 2017/07/25