Teny iditra | antendriahitra | |
Sokajin-teny | anarana | |
Fanazavàna teny malagasy | Lalao fifaninanana madinidinika toy izao: alaina ny tendron' ny ahitra roa ka terena eo anelanelan' ny fanondro sy ny ankibe; raha efa izany, dia ampifidianina izay halainy ny ankizy rehetra eo, na ny fanondro na ny ankibe; vahana amin' izay ny tanana ka izay nifidy ny rantsantanana iraiketan' ny ahitra no mahazo [1.1] | |
Voambolana | Kilalao | |
Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31 |