Teny iditra antoandro
Sokajin-teny anarana
Famaritana malagasy Enti-milaza ny fotoan' andro aorian' ny maraina ka hatramin' ny mitataovovonana (hatreo amin' ny 8 ka hatramin' ny 12 ora): Mifohaza, rankizy, fa efa antoandro ny andro. [Rajemisa 1985]
Famaritana anglisy [andro, day.] Full day, broad daylight. [Richardson 1885]
Famaritana frantsay le grand jour [Abinal 1888]
Famaritana anglisy full daylight, the daytime [Hallanger 1973]
Famaritana frantsay le grand jour [Hallanger 1974]
 grand jour, midi [Beaujard 1998]
Voambolana 
Sampanteny 
Tsipelina hafa 
Mpanahaka  antoandrobe ~ antoandrobenanahary
Ohatra 
1ny tokony ho atoandro nosoratantsika antoandro [Rabemolaly: Fary]
2Izany hoe: ny roa lahy miasa antoandro, ny roa lahy miasa alina [Andriamalala: Ranomasina]
3Efa antoandro be ny andro, nefa tsy mbola nisy zavatra reny ihany sady tsy nisy fiantsoana [Rajohanesa: Kintana]
4Rehefa vita ny sakafo atoandro dia samy nihevitra ny hiala sasatra avokoa, satria nikasa ny handry ta []
5Indray alahady atoandro, miaramila anankiray amin' ireo hafa mpiresaka tamin' izy telo lahy ary avy ao Antananarivo no nanasa azy ho any an-tranon-dray aman-dreniny [Andraina: Mitaraina]
Teny nalaina 

Nohavaozina tamin' ny 2020/04/02