Teny iditra antra
Sokajin-teny   mpamaritra
Famaritana malagasy   Fatra-pangoraka, fatra-pihetsi-po mahita ny fahorian' ny hafa: Antra olona iny vehivavy iny fa tsy mitsahatra ny manome zavatra an' izay mangataka aminy [Rajemisa 1985]
Dikanteny anglisy   compassionate, feeling pity [Hallanger 1973]
Dikanteny frantsay   compatissant, charitable [Abinal 1888, Hallanger 1974]
Ohatra  
1Antra olona izy [Abinal 1888, takila 55]
2Hoy ianareo hoe mba antra na nitsetra ahy ny mpijery? [Andraina: I Vola, takila 89]
3Lehilahy tsy manana fo mba antra sy mangoraka ianao, Andriamatoa! [Randriamamonjy: Ombalahibemaso, takila 150]
Sampanteny  

Teny iditra antra
Sokajin-teny   anarana
Famaritana malagasy   Alahelo, fangorahana, fitserana, fihetseham-po te-hamonjy nahanampy: Lehilahy be antra iny lasa iny [Rajemisa 1985]
Dikanteny anglisy   pity, compassion, tenderness, charity. [Richardson 1885]
Voambolana  

Nohavaozina tamin' ny 2016/06/22