Teny iditra aoriana
Sokajin-teny tambinteny [fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy Enti-milaza toerana mifanohitra amin' ny aloha, izany hoe manarakaraka ny toerana hafa iray teo aloha: Ny zomà dia aorian' ny (na aorianan' ny) alakamisy
Enti-milaza fotoana mifanohitra amin' ny aloha, izany hoe manarakaraka ny fotoana hafa iray teo aloha: Mipetraha ianao avy eto aoriana ~ Jereo ao aoriananao fa misy alika kely manaraka anao
Ny teny hoe "aoriana" ialohan' ny mariky ny lasa "t" ka ampiasaina hilazana fotoana: Tonga taorian' ny zandriny izy
(Marihina fa samy hafa amin' ny "tao aoriana" io, izay misy ny teny "aoriana" ihany fa ialohan' ny "tao" milaza toerana, ka ampiasaina kosa hilazana toerana: Nipetraka tao aorian' i dada aho) [1.1]
Fanazavàna teny anglisy Back, behind, backward, passed. This word admits the suffix pronouns and tenses. [1.2]
 After, afterwards [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Après, derrière [1.3, 1.8]
 En retard: Tonga aoriana hianao (Vous arrivez en retard) [1.3]
Ohatra 
1Avy eo aoriana izy (Il vient là derrière) [1.3]
2Tonga taoriako izy (Il est arrivé après moi) [1.3]
3ary ny nilaza taloha, teraka taoriana. [2.48]
4Tonga tokoa i Tondra taoriana kelin' ny misasakalina. [2.472]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : aoriana, aorianako, aoriako, aoriananao, aorianao, aorianany, aoriany, aorianantsika, aoriantsika, aoriananay, aorianay, aoriananareo, aorianareo, aorianan', aorian', aorianan-, aorian-, aorianam-, aoriam-, aoriana-, aoria-
Ny lasa : taoriana, taorianako, taoriako, taoriananao, taorianao, taorianany, taoriany, taorianantsika, taoriantsika, taoriananay, taorianay, taoriananareo, taorianareo, taorianan', taorian', taorianan-, taorian-, taorianam-, taoriam-, taoriana-, taoria-
Sampanteny 
Tohi-kevitra 
Kamban-teny 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2022/07/01