Teny iditra araparapa (raparapa)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Asaina mamindra na mandeha tsy mahita izay hodiavina fa mitsapatsapa: Naraparapan' ny haizina aho ka voapoka ny lohako, voadona ny soroko
Asaina mizotra fotsiny amim-pahamaikana tsy mihevitra izay ho vokatr' izany: Araparapan' ny fahoriana Ramatoa irỳ ka tsy mahalala izay hahafaty azy akory [1.1]
Fanazavàna teny frantsay à faire tâtonner [1.3]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : araparapa, araparapako, araparapanao, araparapany, araparapantsika, araparapanay, araparapanareo, araparapan', araparapan-, araparapam-
Ny lasa : naraparapa, naraparapako, naraparapanao, naraparapany, naraparapantsika, naraparapanay, naraparapanareo, naraparapan', naraparapan-, naraparapam-
Ny hoavy : haraparapa, haraparapako, haraparapanao, haraparapany, haraparapantsika, haraparapanay, haraparapanareo, haraparapan', haraparapan-, haraparapam-
Filaza mandidy : araparapao

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20