Teny iditra |
Arpaksada
|
Sokajin-teny | anaran-tsamirery (ara-baiboly)
|
Fanazavàna teny malagasy | Zafin' i Noa. Araka ny Gen. 10.22 dia zakakalahy fahatelon' i Sema
izy. Araka ny Gen. 11. 10 kosa dia taranaka faharoa avy amin' i Sema
mankamín' i Abrahama izy. Ny Gen. 10.22 dia fitanisana
anaram-poko (na anaran-tany) avy amin' i
Sema ; ny avy tany Babylonia sy Kaldea
tsy voalaza ao anefa. Ny tapany aoriana
amin' io anarana io dia misy ny teny hoe
Kaseda (ampit. Gen. 22.22) izay singulier-n'
ny hoe Kasdima (Kaldea). Angamba teny
roa no nakambana ho iray tamin' ny Gen. 10. 22 tamin' ny voalohany ;
ny tapany aoriana dia Kaseda ary ny aloha Arpaka, izay
fari-tany any Asyria atsimo-andrefana dia
tokony ho ilay voalazan' i Ptolemy hoe Arrapaenitis. Koa ny fahadisoan-tsoratra ao
amin' ny Gen. 10. 22 no noraisina ho fototry
ny ao amin' ny 11. 10-13. [1.38]
|
Fanazavàna teny anglisy | Arphaxad: son of Shem and ancestor of Eber. [1.114]
|
Fanazavàna teny frantsay | Arpakshad [2.996]
|
Voambolana |
Tsipelina hafa |
Teny nalaina avy amin' ny Baiboly |
|