Teny iditra atao (tao)
Sokajin-teny matoantenin' ny atao
Famaritana malagasy Karakaraina sy vitaina: Ataovy ny raharahanao fa aza be resaka eo
¶ Anamboarana: Hataoko latabatra ity hazo tsara tarehy
¶ Ampiasaina: Notaony mpampianatra ny zanany aho
¶ Apetraka: Teto no nataoko ny satroko, nefa mahagaga fa tsy hitako eto intsony
¶ Ampidirina: Natao an-tranomaizina ilay mpangalatra
¶ Ahosotra, apetaka: Fanafody atao amin' ny tongotra
¶ Heverina: Nataoko ho efa vitanao ny fafa trano
¶ Antsoina: Fantatrao ve ilay zaza atao hoe: Isambilo? [Rajemisa 1985]
Famaritana anglisy to be done [Hallanger 1973]
Famaritana frantsay qu'on fait, qu'on fabrique [Hallanger 1974]
Endriteny 
atao
ataoko
ataonao
ataony
ataontsika
ataonay
ataonareo
ataon'
ataon-
ataom-
natao
nataoko
nataonao
nataony
nataontsika
nataonay
nataonareo
nataon'
nataon-
nataom-
hatao
hataoko
hataonao
hataony
hataontsika
hataonay
hataonareo
hataon'
hataon-
hataom-
ataovy
Kamban-teny, lohateny, anarana 
Ohatra Lazaiko anao kosa anefa fa hataoko tsy maintsy henon'ny lehiben'ny distrika [Andraina: Mitaraina, takila 187]
Teny nalaina 

2011/05/12