Teny iditra avana
Sokajin-teny   anarana
Famaritana malagasy   antsibenandriamanitra [Betsimisaraka] [Rakotosaona 1972]
   Zava-miseho indraindray eny amin' ny habakabaka, rehefa misy orana, izay miendrika andohalambo makadiry mipaka amin' ny lanin' ny vodilanitra roa, ary misy loko fito fototry ny loko rehetra: mena, volondaoranjy, vony, maitso, manga, angana ary volomparasy; rehefa misy avana miseho dia fambara fa efa hitsahatra ny orana [Rajemisa 1985]
Dikanteny anglisy   the rainbow [Hallanger 1973]
Dikanteny frantsay   arc-en-ciel [Hallanger 1974]
Ohatra  
1jereo ange iry avana! [Rajohanesa: Kintana]
2Rehefa vita ny famonoana dia latsaka ny erika, ary nisy avana [Rabary: Daty, takila 178]
3manana ny lokon'ny avana, na antsibenandriamanitra, tsara tarehy aoka izany. [Rajemisa: Fiteny 4, takila 25]
Voambolana  
Sampanteny  
Fitovian-keviteny   antsibenandriamanitra
Kamban-teny, lohateny, anarana  
Lahatsoratra  
Fifanahafana   Ny Avana Ramanantoanina

Teny iditra avana (ava)
Sokajin-teny   matoantenin'ny atao
Famaritana malagasy   Enti-milaza ny voly izay karakaraina ka ongotana ny ahidratsy maniry eo aminy: Efa tokony havana ity tanimbary itỳ fa be loatra ireo ahidratsy [Rajemisa 1985]
Dikanteny anglisy   to be weeded [Hallanger 1973]
Dikanteny frantsay   qu'on sarcle [Hallanger 1974]
Ny bikany  
avana
avako
avanao
avany
avantsika
avanay
avanareo
avan'
avan-
avam-
ava-
navana
navako
navanao
navany
navantsika
navanay
navanareo
navan'
navan-
navam-
nava-
havana
havako
havanao
havany
havantsika
havanay
havanareo
havan'
havan-
havam-
hava-
avao

Nohavaozina tamin' ny 2017/07/25