Teny iditra averina (verina)
Sokajin-teny matoantenin' ny atao
Famaritana malagasy Ampanaovina dia mianotra: Avereno ny fiarakodia
¶ Lazaina indray: Avareno izay lazaiko
¶ Atao fanindroany: Naverina indray ny fanadinana fa nisy nahita mialoha ny zavatra hanadinana
¶ Asaina miverina: Naverina ilay iraka
¶ Aterina: Tsy mbola naverin' ilay karilahy iny ihany ny bokiko nindraminy
¶ Ampodìna: Naveriny ho amin' ny ialan' ny fahamarinana ilay zanany nania [Rajemisa 1985]
Endriteny 
averina
averiko
averinao
averiny
averintsika
averinay
averinareo
averin'
averin-
averim-
averi-
naverina
naveriko
naverinao
naveriny
naverintsika
naverinay
naverinareo
naverin'
naverin-
naverim-
naveri-
haverina
haveriko
haverinao
haveriny
haverintsika
haverinay
haverinareo
haverin'
haverin-
haverim-
haveri-
avereno
Teny nalaina 

2010/05/14