Teny iditra ba
Sokajin-teny   mpampitohy [firaketana]
Famaritana malagasy   [Taisaka] mba [Rakotosaona 1972]
   [Tanala] mba: Ñ'kamo mihinañ'akida ka ba maniry 'hodiny à? (ilay kamo homan'akondro ka mba mitsiry va re ny hodiny e?) [Rakotosaona 1972]
Famaritana frantsay   [Taisaka] marque l'interrogation [Deschamps 1936]

Teny iditra ba
Sokajin-teny   anarana
Famaritana malagasy   [Tanosy] Fery, vay [Rakotosaona 1972]
Voambolana  
Fitovian-keviteny   bay
Teny nalaina  

Teny iditra ba
Sokajin-teny   anarana
Famaritana malagasy   Ny fingadonan' ny andalan-tononkalo, izay avy amin' ny toeran' ny tsindrimpeo amin' ny andalana tsirairay avy: Misy karazany roa ny ba, dia ny ba mingadona (ohatra Làpa) ary ny ba mitsaika (ohatra Tàratra)
¶ Fomba fandrefesana ny feo amin' ny mozika: Ba efatra izany mozika izany [Rajemisa 1985]
Famaritana anglisy   bar in music [Eng. Bar.] [Richardson 1885]
   a measure in music; time in music [Hallanger 1973]
Famaritana frantsay   mesure en musique [Hallanger 1974]
Ohatra   Betsaka ny tanora mankafy ny Kalon'ny Fahiny: te hahafantatra sy hifehy ny Ba Gasy [Madagascar Tribune , 2009/11/12]
Voambolana  
Ny fihaviany   Anglisy: bar. Frantsay: battre (la mesure).
Kamban-teny, lohateny, anarana  
Teny nalaina  

Teny iditra ba
Sokajin-teny   anarana
Famaritana malagasy   [frantsay bas] Karazan-tenondamba vita tanana na mima atao amin' ny kofehy volonondry izay ampifampidipidirina manara-dalàna amin' ny vin-korise na vim-ba: Manana akanjo ba mangamanga i Koto kely / Mahay manao ba ny vadin-dRabe
¶ Fonon-tongotra rehefa atao anaty kiraro [Rajemisa 1985]
Famaritana anglisy   stockings, socks. [Fr. Bas] [Richardson 1885]
   knitting [Hallanger 1973]
Famaritana frantsay   [français bas] tricot [Hallanger 1974]
Voambolana  
Sampanteny  
Ny fihaviany   Frantsay: bas.
Kamban-teny, lohateny, anarana  
Fifanahafana   akanjo ba ~ ban-kiraro

Teny iditra ba
Sokajin-teny   anarana
Famaritana malagasy   [Sakalava] Karazan' oviala misy vodiny boribory sahala amin' ny tavolo [Rajemisa 1985]
Famaritana anglisy   [Sakalava] a shrub [Richardson 1885]
Voambolana  

Teny iditra ba
Sokajin-teny   anarana
Famaritana malagasy   [frantsay banc] Hazo fisaka lavalava misy tongony, natao hipetrahana
¶ Dabilio [Rajemisa 1985]
Ny fihaviany   Frantsay: banc.

Teny iditra ba~
Sokajin-teny   tovona [Teny amin' ny ba~]
Famaritana anglisy   a prefix joined to many roots, a balelaka [primary root lelaka] [Richardson 1885]

Teny iditra Ba
Sokajin-teny   anarana (simboly)
Famaritana malagasy   Singa mivaingana, faha-56 amin'ny firaketan'i Mendeleiev. [3.1]
Famaritana anglisy   Barium. [3.1]
Voambolana  
Anarana siantifika   ba|Ba

Nohavaozina tamin' ny 2017/06/29