Teny iditra birao (bira)
Sokajin-teny filaza mandidin' ny matoantenin' ny atao biraina [fitanisana]

Teny iditra birao
Sokajin-teny anarana
Famaritana malagasy latabatra fanoratana [Akademia 2005]
Endriteny 
birao
biraoko
biraonao
biraony
biraontsika
biraonay
biraonareo
biraon'
biraon-
biraom-
Ny fihaviany Frantsay: bureau.
Ohatra Indray andro, efa nadiva hifarana ny taom-pianarana, nampiantsoin' ny badirinay tany amin' ny biraony aho. [Andraina: Mitaraina, takila 249]

Teny iditra birao
Sokajin-teny anarana
Famaritana malagasy efitra na trano fiasana na fandraharahana [Akademia 2005]
Ny fihaviany Frantsay: bureau.

Teny iditra birao
Sokajin-teny anarana
Famaritana malagasy rantsana miandraikitr ny fitantanana. Eo anivon' ny Antenimiera ohatra, ahitana ny filoha, ny filoha lefitra, ny mpiraki-tsoratra ary ireo olona misahana ny fandraharahana anatiny izy io. Ho an' ny fikambanana tsotra kosa dia ahitana ny filoha, ny mpiraki-tsoratra ary ny mpitahiry vola. [Akademia 2005]
Ny fihaviany Frantsay: bureau.

2014/09/25