Teny iditra dabokandro (daboka, andro)
Sokajin-teny anarana
Famaritana malagasy Enti-milaza ny fiompiana omby atondraka, izany hoe asaina miraoka amin' ny tany be ahitra any an' efitra sy eny amin' ny andro fotsiny eny, ka matavy sy tonga vaventy (daboka). [Rajemisa 1985]
 Ny hoe daboka dia matavy, vaventy, no heviny, ka ny dabokandro dia ilazana ny omby matavy tsy afahy fa homana sy ompiana mikarenjy eny amin'ny andro fotsiny eny any an'efitra [Rajemisa: Fiteny 4]
Famaritana anglisy oxen that are to be fattened, but allowed to wander about when satiated with food [Richardson 1885]
Voambolana 
Kamban-teny, lohateny, anarana 
Ohatra 
1Ireo ve no mba saiky hanaovan' ialahy dabokandro? [Randriamiadanarivo: Sikajy, takila 128]
2Ny hoe " daboka " dia matavy, vaventy, no heviny, ka ny dabokandro dia ilazana ny omby matavy tsy afahy fa homana sy ompiana mikarenjy eny amin'ny andro fotsiny eny any an'efitra. [Rajemisa: Fiteny 4, takila 103]

2017/05/31