Teny iditra dihy
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Fampisehoam-pihetsehana ataon' ny tena manontolo: loha, tanana, tongotra, ary indraindray koa aza ny vatana, mba hanehoana fifaliana
Mitovy hevitra: afindrafindrao ~ dada ~ dihy soroka ~ jaiko ~ sahoby ~ salegy ~ soamaroroka ~ soratra ~ totorebika ~ tsaramiera ~ tsinjaka ~ tsipisandry ~ velatanana
Toetran' ny fanidin' ny vorona eny amin' ny habakabaka raha tsy mihetsika na mikopaka ny elany [1.1]
Fanazavàna teny anglisy A dance, dancing in the native style. See danise, tsinjaka [1.2]
 A dance, dancing [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Danse [1.3, 1.8]
 Sautillement, tournoiement de la toupie, du fuseau
Le trémoussement des ailes d’un oiseau planant au même point [1.3]
Ohatra 
1Velona indray ny hira amana dihy natao teo tamin' ny ndeha hangataka iny. [2.245]
2Inona kosa, hoy Noro nony efa nitonitony izy, no tsy nitiavanao ny dihy? [2.5]
3Tsimpony ny teny rehetra mampiseho ny maha-malagasy ny dihy sy ny mpandihy. [2.313]
Sampanteny 
Tovy hevitra danise ~ tsinjaka
Kamban-teny 
Lohateny Dihy (Rabearivelo Jean-Joseph)
Ohabolana 

Teny iditra Dihy
Singan-teny dihy
Sokajin-teny anarana (lohatenin-tononkalo) [fitanisana]
Mpanoratra Rabearivelo Jean-Joseph, 1931/09/16
Lahatsoratra 
Ritsodritso-baliha telo,
gobogobok' ampongatapaka,
lokanga dimy indray dinidy
sy sodin-taolana tsara loaka.

Io misonenika Ratovovavy,
miakanjo manga marain-droa !
Ny lamba valaka mavokely;
raozy gasy ao anaty volo.

Tsoakam-bero sa bararata
mihararetra any amoron' ala ?
Sidintsidin' ny andro meva,
sa angidi-mangan' ny eny an' ony?

Io misonenika Ratovovavy,
moana tahaka ny Fiadanana;
valiha telo, ampongatapaka,
lokanga, sodina no indray henony.

Fa injay ny molony mangovingovitra,
ipololoran'ny nofinofy;
tsy toha intsony ka zary kalo,
dia zary hira nony efa avy eo.
Mba hontsa koa Ravaviantitra,
ka io mirotsaka mba handihy,
mitari-joro ny ila sikiny,
dia toy ny androny mirefarefa.

Tsy kalokalo na hirahira
no mampifelana izato endriny,
ranomaso no mamonto azy,
mahatsiaro ny maty rehetra...

Mahatsiaro... Toa fenomanana
efa ho rendrika tsy ho hita.
inty mihintsana ny lohataona
ka zary fasana ravi-maina...

Dia mifanojo ny loha tondro,
ny tondro mihantsin-dRatovovavy
sy ny tondro efa fola-dRavaviantitra,
samy tanteraky ny hazavana.

Mifanojo ka toa tetezana
ifanohizan' ny alin-kely
efa foy ery an-tendrombohitra,
sy ny andro maneno akoho !
Voambolana 
Tsanganana sy sary iray takila Ny lohateny rehetra

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/10/22