Teny iditra dinidinika (dinika)
Sokajin-teny anarana
Famaritana malagasy Resadresaka ifanaovana momba ny zavatra anankiray efa voafaritra mialoha
Mitovy hevitra: tapatapak' ahitra. [Rajemisa 1985]
Famaritana frantsay examen minutieux, affaire sur laquelle on consulte [Abinal 1888]
Sampanteny 
Kamban-teny, lohateny, anarana 
Ohatra 
1Dinidinika ambany tafo ihany. [Ndemahasoa: Antakay, takila 49]
2Izany hoe, henoy tsara, fa dinidinika no aposako izao. [Profita: Ranary, takila 48]
3Tato aoriana dia nandefa iraka tany Faradofay izy nanatitra dinidinika tamin'ny Frantsay tany. [Randriamamonjy: Tantara, takila 119]
4Mitohy teny ampandehanana mody ka hatreny an-trano ny dinidinika nifanaovana tao am-piangonana. [Rakotonandrasana: Tantsaha, takila 19]
Teny nalaina 

2017/09/20