Teny iditra dinika
Sokajin-teny   anarana
Famaritana malagasy   Resaka momba ny zavatra anankiray efa voafaritra mialoha: Misy dinika hataon' ny vaomiera momba izany
¶ Famakafakana mba hahalalana zavatra iray araka izay tena toetrany, lanjany, hasoany: Miki dinika lalina izany toe-javatra aposakao izany [Rajemisa 1985]
Famaritana anglisy   conversation, rumination, private examination, secrets, affairs in detail [Richardson 1885]
   careful examination [Hallanger 1973]
Famaritana frantsay   examen, consultation [Hallanger 1974]
Ohatra  
1Ary vao izay no tohizina ny dinika. [Ndemahasoa: Antakay, takila 59]
2Faràno eto ity dinika voalohany ity. [Rahajarizafy: Filozofia, takila 33]
Voambolana  
Sampanteny  

Teny iditra dinika
Sokajin-teny   anarana
Famaritana malagasy   Fitsakoana fanindroany ataon' ny biby sasantsasany, toy ny omby, mba hanorotoroany izay nohaniny maimaika tany an-tsaha [Rajemisa 1985]
Famaritana anglisy   chewing the cud [Hallanger 1973]
Famaritana frantsay   rumination [Hallanger 1974]
Voambolana  
Sampanteny  

Teny iditra dinika
Sokajin-teny   anarana
Famaritana malagasy   Fahakelezana, faharotsadrotsahana [Rajemisa 1985]
Sampanteny  
Haianarantany   Anaran-toerana misy itý teny dinika itý (0)

Teny iditra dinika (dika)
Sokajin-teny   matoantenin'ny atao
Famaritana malagasy   Voadika, nodikaina: Nodinikao ny lalàna ka ho voasazy ianao [Rajemisa 1985]
Famaritana anglisy   anything small, minute detail [Richardson 1885]
Fitovian-keviteny   malinika
Kamban-teny, lohateny, anarana  

Nohavaozina tamin' ny 2017/05/26