Teny iditra diso
Sokajin-teny mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy Tsy marina: Diso izany filazanao izany
Meloka: Diso tamin-drainao ianao namaly boraingona azy
Tsy nahatratra: Diso fidirana Ilita ka voasazy ~ Diso rasa ianao ka ny taolana sisa ho anao ~ Diso fanantenana izy ka nitoloko
Tsy nahita, tsy sendra: Tratra aoriana loatra ianao ka diso azy
Tapaka, tsy tonga: Diso hadimiana ianao nandritra ny volana
Lavo tamim-pitondmn-tena: Diso tamin' izany tovolahy nanangoly azy izany, hono, i Bako
Maty: Ireo dimy ireo ihany ve ny zanakareo ~ Ireo no velona fa nisy roa diso, tompoko
Loatra: Diso masaka ireto voankazo ireto ka efa misy simba.
Mitovy hevitra: lavo ~ solafaka ~ tsontsa [1.1]
Fanazavàna teny anglisy Wrong, mistaken, in error, guilty, absent, missing. Used also in speaking of the death of the relatives of the sovereign. It governs the accusative case in the sense of missing some one, as: diso azy aho [1.2]
 Wrong; absent; lacking [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Qui a tort; absent, manquant; faute [1.8]
Sampanteny 
 
Kamban-teny 
Lohateny Diso fetsy (Rakoto Odeam)
Ifaralahy diso fangataka (Razam-be)
Ohabolana 

Teny iditra diso
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Tsy fanaharan-dalana ara-pitsipika: Be diso ny lahatsoratrao [1.1]
Fanazavàna teny anglisy An error, failure [1.2]
Fanazavàna teny frantsay Faute [1.8]
Kamban-teny 

Teny iditra diso
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  [Bara] Mikisaka, mifindra toerana [1.78]

Teny iditra diso
Sokajin-teny mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy  [Sihanaka] Maty (olona) [1.78]

Teny iditra diso
Sokajin-teny Tsy lazaina
Fanazavàna teny anglisy  [1.2]
Sampanteny 
 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/09/09