Teny iditra dobo
Sokajin-teny   anarana
Famaritana malagasy   Lavaka ihandronan' ny rano, izay mazàna vitantanan' olombelona, fa tsy tahaka ny kamory na ny farihy, izay vita-Nanahary: Nanao dobon-trondro anankiroa izahay erỳ amin' ny tanin' anana
¶ Farihy kely: Misa dobo kely ao andrefantranonay
Mitovy hevitra: antara ~ farihy ~ heniheny ~ hetrina ~ honahona ~ hotsaka ~ kamory ~ matsabory ~ petsapetsa ~ ranomihandrona ~ ranovory [Rajemisa 1985]
Dikanteny anglisy   a pool, a reservoir [Hallanger 1973]
Dikanteny frantsay   vivier. [Tankarana] [David 1952 (takila D)]
   bassin, réservoir [Abinal 1888, Hallanger 1974]
   vivier, la nappe d'eau qui se forme au confluent de deux courants, gouffre au pied des chutes d'eau [Abinal 1888]
   étang [Hallanger 1974]
Ohatra  
1Maina io dobo io tamin' izay. [Andraina: Mitaraina, takila 75]
2dobo taloha, Andrianambonimena nanao azy ho vary [Callet: Tantara, takila 754]
Teny nalaina  
Fifanahafana   dobo filomanasana

Teny iditra dobo
Sokajin-teny   mpamaritra
Famaritana malagasy   very zo, heverina ho tsinontsinona [Bara] [Rakotosaona 1972]

Teny iditra dobo
Sokajin-teny   mpamaritra
Dikanteny frantsay   qui chavire, s'engloutit [Tankarana] [David 1952 (takila D)]
   inondé, plein d'eau [Abinal 1888]
   coulé, inondé, naufragé, rempli [Vezo] [Poirot & Santio: Vezo (D)]

Teny iditra dobo
Sokajin-teny   mpamaritra
Dikanteny frantsay   double, doublé [Vezo] [Poirot & Santio: Vezo (D)]
Ny fihaviany   Frantsay: double.

Nohavaozina tamin' ny 2017/08/07