Teny iditra doka
Sokajin-teny   anarana
Famaritana malagasy   Fanindrahindrana olona amin' ny fiderana azy; robo, fiderana olona, izay kendrena hamalifaliana azy, indraindray omban' ny fanantenana hahazo soa avy aminy: Tia doka loatra io mpitondra io ka manjary fatra-pisolelaka ny olona entiny. [Rajemisa 1985]
Dikanteny anglisy   praise, flattery [Hallanger 1973]
Dikanteny frantsay   flatterie [Hallanger 1974, Rajaonarimanana 1995]
   adulation [Hallanger 1974]
   vanterie [Rajaonarimanana 1995]
Ohatra  
1hianao tsy lany doka, izaho tsy lany rehaka; [Dahle: Angano, takila 230]
2Nisy marina koa mantsy ny tenin' izy ireo fa tsy doka fotsiny akory. [Randriamiadanarivo: Sikajy, takila 22]
Sampanteny  
Teny nalaina  
Fifanahafana   dokam-barotra ~ mitady doka ~ tia doka

Teny iditra doka
Sokajin-teny   anarana
Famaritana malagasy   Karazan-javamaneno miendrika tehina vita amin' ny volotsangana, saingy olona iray ihany no mitondra azy, dia ny lehilahy mpitarika ny dihy amin' ny lanonan-dehibe toy ny famadihana; atontona anin' ny tany lzy mba hidoboka ary asiana korintsana eo an-tendrony [Rajemisa 1985]
Voambolana  

Teny iditra doka
Sokajin-teny   mpamaritra
Famaritana malagasy   irery, tsy manao inona [Antemoro] [Rakotosaona 1972]
Fitovian-keviteny   doko

Teny iditra doka
Sokajin-teny   anarana
Famaritana malagasy   Fandoahana na fandavahana vato iray mba hahazoana manapoaka azy. [Rajemisa 1985]
Sampanteny  

Teny iditra doka
Sokajin-teny   anarana
Dikanteny frantsay   sorte de bambou. [Tankarana] [David 1952 (takila D)]

Nohavaozina tamin' ny 2017/04/02