Teny iditra donto
Sokajin-teny mpamaritra
Famaritana malagasy Tsy mandre tsara fa marenindrenina: Donto mihitsy ny sofin' io zaza io: intelo izy no antsoina vao mahare
¶ Dombo ny lelany na bontolo ny lohany: Dontoity itỳ fandraka itỳ
¶ Tsy moramandray fampianarana: Donto velona izany raha zaza: telo volana vao mahay abidy
¶ Enti-milaza ny vilany izay maharitra elaela vao tanteraky ny hafanana: Ario any io vilany io fa donto izaitsizy: adiny iray vao mahamasa-bary [Rajemisa 1985]
Famaritana anglisy stupid [Hallanger 1973]
Famaritana frantsay stupide [Hallanger 1974]
Sampanteny 
Kamban-teny, lohateny, anarana 
Ohatra 
1Rotsiako mangina ny foko efa donto, ary safosafoiko ny masoko bongo! [Rabearivelo: Foko]
2Lasa donto sy hena velona ny tena ka tsy tsaroana intsony na fanenony na kaikiny. [Andraina: Mitaraina, takila 173]
Teny nalaina 

2017/04/02