Teny iditra eglizy
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Trano ivorian' ny kristianina katolika ka anatrehany ny fombam-pivavahana samihafa
(Mazàna mizara telo manaraka ny lavany ny atin' ny eglizy ary misy andalan' an-dry roa mifanindrana mampisaraka azy ho telo ka mahatonga azy hibikan-tsambo amin' izy kely sakana nefa lava mitsoroaka; amin' ity hevitra itỳ ny eglizy dia atao hoe koa leglizy, na trano leglizy) [1.1]
Fanazavàna teny anglisy A church building [1.7]
Ny fihaviany Frantsay: église.

Teny iditra Eglizy
Sokajin-teny anaran-tsamirery (olona)
Fanazavàna teny malagasy Fitambaran' ny kristianina iray filoha sy iray foto-pampianarana [1.1]
Fanazavàna teny anglisy The Catholic church [1.7]
Fanazavàna teny frantsay L'Eglise Catholique [1.8]
Ohatra misy tokoa boky sasantsasany raran'ny Eglizy tsy hovakin'ny zanany; [2.313]
Ny fihaviany Frantsay: Église.

Nohavaozina tamin' ny 2022/01/27