Teny iditra endahana (endaka)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Alana hoditra: Efa nendahana ve ilay omby?
Esorina ny akanjo eny aminy: Nendahan' ny mpangalatra izy [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To be flayed, to be peeled off ; to have one's clothing removed by force [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Qui on écorche, qu'on dépouille [1.8]
Ohatra 
1Ny amidy eny an-tsena hosora-menaka, dia ampihaingoina ny vehivavy, nefa rehefa lafo dia endahana ny haingony [1.437]
2manaraka izany, dia endahana ny hoditr' ilay omby ka arakotra azy roa, fa tonga biby, hono, izy amin' izay, ka afaka amin' ny fadim-panambadiana. [2.436]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : endahana, endahako, endahanao, endahany, endahantsika, endahanay, endahanareo, endahan', endahan-, endaham-, endaha-
Ny lasa : nendahana, nendahako, nendahanao, nendahany, nendahantsika, nendahanay, nendahanareo, nendahan', nendahan-, nendaham-, nendaha-
Ny hoavy : hendahana, hendahako, hendahanao, hendahany, hendahantsika, hendahanay, hendahanareo, hendahan', hendahan-, hendaham-, hendaha-
Filaza mandidy : endaho
Ohabolana 

Nohavaozina tamin' ny 2023/03/13