Teny iditra endrey
Sokajin-teny tenim-piontanana [fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy Dray na Drey na Endrey na Adrey na Dray: tenim-piontanana voatonona amim-pahatairana raha misy mahagaga tsy nampoizina, na mahafaly tampotampoka, na misy maharary tsy aritra. (Ny tena ahalalana azy ho fanehoam-pahagagana, na hafaliana, na fangirifiriana anefa dia miankina amin' ny feo sy ny anononan' ilay olona miteny azy mbamin' ny fahitana ny endriny sy ny fihetsiny eo am-pitenenana). -- Indraidray ny dray dia atao solony tambinteny hoe: izaitsiizy na tokoa tokoa, ets.; ary ny fanao amin' izany dia ny Edrey, toy izao: Lafo dia dray izany peratrao izany! ~ Lafo dia edrey izany peratrao izany ! [1.10]
Ohatra 
1Endrey, hoy ny lahy somary nihoraka; [2.470]
2Taitra izy, ary endrey ny fahatahorany; [2.324]
3Endrey ny alahelo amy ny fandrenesana izany! [2.59]
4Endrey maha-te-hizaha! [1.215]
5Endrey ny hatairan' izy roa lahy! [2.499]
6Dia hoy Rafotsiarifanahy: "Endrey! [2.293]
Tsipelina hafa 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31