Teny iditra enjehina (enjika)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Arahina: Nenjehiko moramora avy aoriana ry zalahy
Tratrarina an-kazakazaka avy aoriana: Nenjehin' ny polisy ilay mpangalatra ka azony ihany nony afaka folo minitra
Asiana an-kolaka na mivantana: Tsy fantatro izay ratsy nataoko fa enjehin' ny namako aho
Ampijalijalina, trandrahina hatraiza hatraiza: Nenjehina aoka izany ny mpikambana anisan' ny VVS [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To be pursued, to be persecuted [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Qu'on poursuit, qu'on persécute [1.8]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : enjehina, enjehiko, enjehinao, enjehiny, enjehintsika, enjehinay, enjehinareo, enjehin', enjehin-, enjehim-, enjehi-
Ny lasa : nenjehina, nenjehiko, nenjehinao, nenjehiny, nenjehintsika, nenjehinay, nenjehinareo, nenjehin', nenjehin-, nenjehim-, nenjehi-
Ny hoavy : henjehina, henjehiko, henjehinao, henjehiny, henjehintsika, henjehinay, henjehinareo, henjehin', henjehin-, henjehim-, henjehi-
Filaza mandidy : enjeho
Ohabolana 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20